Vous êtes ici : Accueil » Afrique australe » Madagascar » Madagasikara : Avelao hivezivezy malalaka i Dr. Elimberaza Mandridake. (...)

Madagasikara : Avelao hivezivezy malalaka i Dr. Elimberaza Mandridake. Tohanantsika ireo namany voafonja

D 19 septembre 2010     H 05:25     A     C 0 messages


Izahay mivondrona ao amin’ny Comité LIMBY manotrona an-dRtoa Clarisse Mandridake sy ireo zanany, izay naneho ny ahiahinay manoloana ny fanenjehana ny namanay Dr Elimberaza Mandridake, fantatra amin’ny anarana hoe Limby, dia manasa sy miangavy anao hanasonia ao amin’ny http://www.petitiononline.com/comLimby/petition.html

ny fitakiana ny hamerenana amin’i Limby ny fahafahany mivezivezy malalaka sy miteny ary ny hamoahana ireo naman’i Limby nogadraina.

Ny fanasoniavana ity fitakiana ity koa dia fomba iray hanehoantsika ny fanohanana ny antso nataon’izy ireo tamin’ny famelabelarana ho an’ny mpanao gazety tao Antananarivo ny 17 aogositra ho an’ny Malagasy eran’ny Nosy, mba handray andraikitra bebe kokoa amin’ny maha-olom-pirenena ary fomba hitakiantsika ny fahafahan’ny Malagasy amin’ny faritra 22 haneho hevitra an-kahalalahana.

Misaotra indrindra amin’ny firaisan-kina hasehonao.

Ny Komity Limby

comite.limby@gmail.com

Avelao hivezivezy malalaka i Dr. Elimberaza Mandridake. Tohanantsika ireo namany voafonja

Ny ampitso alin’ny fihaonam-bahoaka tamin’ny 27 aogositra 2010 tao Toliara, kianja Marimar, dia nataon’ny andiana miaramila sambo belona i Dr. Elimberaza Mandridake, fantatra koa amin’ny anarana hoe Limby. Tafandositra avy tamin’ny toerana nitazonana azy i Limby.

Voasambotra sy voafonja ny fito (7) amin’ireo anisan’ny nikarakara ny fihaonam-bahoaka tamin’ny zoma 27 aogositra, kianja Marimar tao Toliara : Limby kosa dia mbola karohina…

Tsy misy antony nitombina velively ny namafazan’ny miaramila gaz lacrymogène tamina mpivory tony fihetsika nomen’ny manam-pahefàna teo an-toerana alalana hivory.

Ny mpampahalala vaovao sasany avy hatrany dia nilaza fa “rava sy may Radio Soa Talily”. Dieny 29 aogositra anefa dia nanamarika ny takelaka afriscope.net (1) fa “vaovao tsy marina” ny momba ny hoe rava sy may ny Soa Talily. Ny takelaka justmad (2) ihany koa dia nilaza fa ny RNM dia nanamarika fa kodiaram-piarakodia no nisy nandoro teo anoloan’ny Soa Talily.

Inona no antony hanomezan-tsiny sy hanenjehana azy ? Nahazo alalana hivory izy ireo mba hilaza ny heviny momba ny fitantanana ny raharaham-pirenena sy hiantso ny mponina hifanakalo hevitra.

Fantam-bahoaka ny fijoroan’I Limby hatrany araka ny marina sy ny hitsiny, ny tsy fanaikeny ny tsy rariny, ny fitiavan-tanindrazany, ny fikajiany ny fifandraisana ara-piaraha-monina… : ny nolazainy tao amin’ny fihaonany tamin’ny mpampahalala vaovao tao Antananarivo tamin’ny 17 aogositra tao Antananarivo ihany no naveriny tamin’ity fihaonam-bahoaka tao Toliara ity, izany hoe :

 ny olana mavaivay iainan’ny vahoaka ankehitriny (fahaverezan’ny asa fivelomana, tsy voaaro ny ain’ny tsirairay sy ny fananany, fahalafosan’ny fiainana…) ;

 fanairana ny besinimaro ny amin’ny fahalavan’ny tetezamita mihoatra izay tokony ho izy ;

 antso ho amin’ny fijoroan’ny tsirairay amin’ny maha olom-pirenena azy.

Izahay manao sonia etsy ambany dia mitaky amin’ny fanjakana malagasy ny hampitsaharany ny fampihorohoroana sy ny fisambosamborana

 Ho amin’ny fahafahan’i Limby mivezivezy sy miteny ;

 ho amin’ny famoahana ireo voafonja noho ity raharaha ity

Paris, 12 septembre 2010

comite.limby@gmail.com